3/10/12

Mbola mahatory...

raha ho avy ralala ny taona hodiako aho ambanin'ny tany tsindrian-drangolahy ka ho vato no solo kidoro hatoriako de izao no mba zavatra ataovinao ahy voleo voninkazo eo an-dohan'ny fasako fotsy sy mavo ary manga sy mena ka avelao haniry eo mandra-pifohako mba hanofisako lay fanekena ny fotsy ho marik'ilay fahadiovana misy aminao tsy mba azo lotoina soratra velona tsy azo vonoina toy ny horom-bato izay nifanaovana ny endrin'ny mavo no fofony manitra dia fivavahana ataoko any an-danitra mba hitsinjovany anao tsy ho irery ombany raha sendra tsy misy mpijery ny manga ho marikik'ilay fihafihana niaraha-niaritra zava-mangidy dia lay andro namoizana ilay fifaliana niaraha-niharitra zava-tsy fidy ny mena ho taratrin'ny afo tsy maty mirehitra lava ao anatin'ny foko io lay fitia,fitia tena anaty fitia voa-kase sy voatomboka loko ny fasako ataovy ao andrefan-tanana ataovy mikasika ny ilan-kamory soraty eo ny tenin'ny fanantenana "tsy maty aho akory fa mbola matory" ny moron'ny rano voleo volotara ka jerijereo fa aza avela ho maina tarafo eo aho fa ho tsinjonao tsara tsy miala eo aho raha tsy efa maraina na dia maty aza anie zany tenako be sy miraraka an-tany ny ra ao am-poko ny fitiavako anao tampetraka anie tsy mba ho faty tsy mba ho lo

No comments:

Post a Comment